<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>316</hymn_number>
<title>Maizina ny firenena FFPM316</title>
<lyrics>[V1]
 Maizina ny firenena,
 Koa diso lalana,
 Tsy mahita famonjena,
 Tia zava-poana ;
 Endrey, ny haverezan-tsainy
 Lany foana ny ainy.

[V2]
 Lehibe ny aizin'ota,
 Takona ny lalana,
 Handosiran'ny mpanota,
 Ny fahaverezana ;
 Indrisy, very re ny aina !
 Injay ny feo mitaraina !

[V3]
 Mitsangàna izao, ry mino,
 Mandehàna faingana,
 Ento aminy ny jiro,
 Atoroy ny lalana ;
 Hianao va tsy onena
 Ny tsy manam-pamonjena ?

[V4]
 Dia ento ny mazava
 Izay naseho taminao ;
 Mazotoa hampisava,
 Izany aizim-pito ao,
 Ka ny namanao mahantra
 Itorio ny Mpiantra.

[V5]
 Eny, tsara sy mahery
 Ny Filazantsara re !
 Afaka ny olom-bery,
 Sambatra ny mahare ;
 Ka mitandrina tokoa !
 Izany teny mahasoa.</lyrics>
<author>J. Neander</author>
</song>